Fampivelarana ny teny malagasy : Tsy ampy intsony ny volana jona

Ankoatra ny tontolon’ny ankizy, Iray volan’ny teny malagasy koa ny volana jona izay ho avy tsy ho ela. Eo no hanatanterahina ireo hetsika lehibe rehetra heverina fa manome lanja indray ny teny malagasy. Taona maro no efa nanatanterahina izany, saingy, hatramin’izao, tsy mbola hita mazava ny vokatra entiny. Tsy ampy intsony io volana jona io. Misy amin’ireo hetsika ho fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy » aza no hoentina misehoseho sy mideradera ivelany fotsiny. Tsy antenaina ny hitondra vokatra.
Iray amin’ireo fanambarana andrasan’ny Malagasy maro amin’ity fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy » taona 2026 ity, ny: «… Ma­nomboka izao, ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra any an-tsekoly. Teny hoenti-manabe ny Malagasy». Raha io no tafapetraka, maro ireo zava-tsy manjary manalavitra ny taranaka malagasy. Goavana indrindra amin’ireny ny fiheveran-tena ho vahiny. Ho maro ihany koa ireo fototra maha Malagasy (fomba, teny, kolontsaina, fitiavan-tanindrazana…) hiverina.
Ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra no anisan’ny mampidi-kizo ny teny malagasy. Eo ihany koa ny fitobaky ny famatsiana maro karazana ho an’ny tontolon’ny fampianarana eto Madaga­sikara. Ireo mpanome no tsy maintsy ankatoavin-teny. Ito antony faharoa ito no ambaran’ny mpahay momba ny fivoaran’ny fiainan-janakolombelona fa: « hamafa ny maha izy azy ny tany andalam-pandrosoana ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: