TARATRY ny KANTO

« Tononkalo iray, firehana maro ». Io ny lohahevitry ny fampirantiana tononkalo hataon’i India­mahery, ao amin’ny IKM Antsahavola, manomboka anio, amin’ny 11 ora. Asa sorany maromaro no notsongain’ity mpanoratra, poeta, mpanao slam ary mpampiofana momba ny soratra ity, mandritra izany.

« Amoron’i Maniart 3 », hetsika ho an’ny kolontsaina an-tanàn-dehibe, any Amoron’i Mania. Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity ny andiany faha-3, ao amin’ny Alliance Française Ambositra. Hiara-dalana mandritra izany ny slam, dihy, hip hop, graffiti , sns. Hisy koa ny fifidianana « miss » sy « mister » amin’io.

Seho miavaka amin’ny mahazatra ny eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, rahampitso. Monika Njava, hifandimby sehatra amin’ny tarika Da Hopp! Angamba tsy mbola nisy hatrizay izany. Mbola eo koa ny tarika Vainafo sy i Fitiavana. Raha hakapoka iray, mozika maroloko, mivelatra be, hahenoana rap, gadona avy any atsimo, sns, izany. Hanomboka amin’ny 3 ora ny seho.

Partager sur: