Asan-dahalo : Ankizy varira maty notapahin-doha

Ankizy lahy, 13 taona, manana toe-tena varira no maty notapahin-doha tany Antananivony, Marovoay, ny sabotsy alina teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny lohany. Tsy mbola misy tratra ireo nahavanon-doza.

Tsy fandriampahalemana, mirongatra ny famonoana sy fanapahan-doha zaza varira eto amin’ny Nosy. Lasibatry ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny ankizy lahy, 13 taona, manana toe-tena varira tany amin’ny fokontany Antana­niavo, kaominina ambanivohitra Marosakoa, disitrikan’i Ma­rovoay, ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any. Nisy olona efatra, nisaron-tava sy nirongo zava-maranitra (toy ny antsy sy famaky), tonga sy niditra an-keriny tao an-trano fonenan’ity ankizy varira ity. Vantany vao tafiditra dia notapahin’izy ireo tamin’ny antsy avy hatrany ny lohan’io ankizy varira io. Nentin’ireo olon-dratsy ny lohany rehefa vita ny asa ratsiny ary lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo taorian’izay, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena tany an-toerana. Vory lanona haingana teny an-toerana nitrangan’ny loza ny fokonolona vantany vao nahare ny zava-nisy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny zandarimariam-pirenena avy any Marovoay nanao ny fanadihadiana sy nijery ny zava-misy. Nahitana dian-dra nitete ta­min’ny lalana nitsoahan’ireo olon-dratsy ireo. Natao ny fikarohana ireo nahavanon-doza, taorian’izay ary mbola am-pikarohana izany izy ireo, hatramin’ny omaly.

Zaza varira iray hafa maty
Ankoatra izay, zaza varira iray hafa ihany koa maty nisy namono tany amin’ny disitrikan’i betroka, ny alakamisy lasa teo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny fikambanana Albinos Madagascar. Tao anatin’ny herinandro, roa izany ny ankizy varira nisy namono tamin’ny disitrika roa samihafa. Manao antso avo hijerena akaiky ireo raharaha famonoana zaza varira, noho izany, ny filohan’ny fikambanana Albinos Madagascar. Miantso ny tomponandraikitra sy ny eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny izy ireo mba handray andraikitra manoloana ny tranga mampalahelo toy izao.

Mino

Partager sur: