Naka an-keriny zaza 6 taona : 11 mianadahy tratra, iray maty voatifitra

Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’ny volabe notakiany tamin’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy 6 taona natao takalonaina ireo mpaka an-keriny, tao Mahitsy, ny 16 mey teo. 11 mianadahy hatolotra ny fampanoavana.

Saron’ny zandarimaria ireo olon-dratsy ka avotra soa aman-tsara ny zazavavy 6 taona takalonaina, tao amin’ny fokontany Masinan­driana, kaominina Mahitsy, ny sabotsy 16 mey teo. « Notazo­min’ireo mpaka an-keriny nandritra ny efatr’andro io zazavavy io », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria miasa ao Mahitsy. Nipetraka tao amin’ny renibeny ilay zaza tamin’ny fotoana nangalaran’ireo tsy valahara azy. Tompon’antoka ny lehilahy iray efa nonina tao amin’ny ray aman-drenin’ilay zaza nandritra ny herintaona. « Efa nahafantatra ny fiainan’ny ray aman-drenin’ilay zaza sy nahita ny zavatra rehetra tao amin’ilay fianakaviana izy », hoy ny zandary. Nihevitra hahazo volabe io lehilahy io ka nanita-kevitra naka an-keriny an’ilay zazavavy, ny alatsinainy 11 mey lasa teo. Na­me­traka fitoriana ny ray aman-drenin’ny zaza. Avotry ny zandarimaria io takalonaina io taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. « Noka­saina hovonoina ilay zaza raha toa ka tsy azo avokoa ny lelavola notakina », hoy ny fanazavana.

Nampangain’ny finday
Voasambotra tamin’ny alalan’ny fanadihadiana ny vehivavy sakaizan’ilay lehilahy naka an-keriny an’io zazavavy io. Nisy olona hafa voatazona satria nampiasa ny laharana finday nampiasan’ireo mpaka an-keriny nangatahana ny lelavola ho solon’ny famotsorana ilay zazavavy. « Nitaky 100 tapitrisa Ar tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza ireo mpaka an-keriny ireo », hoy ny loharanom-baovao marim-pototra. « Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’io vola io ireo olon-dratsy », hoy ny zandary. Nitohy ny famotorana ka tafakatra 11 ireo voasaringotra, hatramin’ny omaly. Lehilahy ny efatra raha toa ka vehivavy avokoa ny fito amin’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: