Mandroso tsikelikely ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Misy ireo solontena malagasy any amin’ny « Festival de Cannes » any France, izay manana iraka manokana hotontosaina.
Manana delegasionina mafonja any amin’ny «Festival de Cannes», andiany faha-79, i Madagasikara. Iraka iombonana eo amin’ny kolontsaina sy ny fizahantany ny marina kokoa, satria tanjona lavitr’ezaka ny hahatonga ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ho fototra hahasarika izao tontolo izao aty amintsika. Mirona kokoa any amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fanodinana ireo horonantsary iraisam-pirenena ny tanjona, mba ho sehatra hampiasam-bola ihany koa ny kolontsaina, hanosika ny fizahantany. Anton’ny fiaraha-misalahy eo amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana amin’ity iraka ity izany.
Ahoana ny hahatongavana amin’izay ? Hamaly io fanontaniana io ireo fihaonana ofisialy, fotoana ara-barotra B2B, fifanakalozana ara-panjakana, fihaonana amin’ny mpanao gazety ary adihevitra momba ny vinavinana fiaraha-miasa amin’ny famokarana, ny fampivelarana ny maha toeram-panodinana horonantsamihetsika an’i Madagasikara sy ny fampandrosoana ny sarimihetsika amam-pizahantany (ciné-tourisme), izay tontosain’ny delegasionina. Mitarika izany ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar, miaraka amin’ireo mpamokatra sarimihetsika malagasy fanta-daza maneran-tany, toa an’i Felana Rajaonarivelo sy Laza, ary ny filohan’ny Filankevi-pitantanana ny Kaonfederasioninan’ny fizahantany eto Madagasikara (CTM), Razafimahefa Tojo Lytah.
Mifototra amin’ny asa efa natomboka momba ny « Cinémalagasy », modelina sarimihetsika malagasy na mifandray amin’i Madagasikara, nampahafantarina tao anatin’ny tontolon’ny tsenan’ny sarimihetsika (Marché du film) izany. Manaporofo ny fisian’ny talenta, ny sanganasa, ny tambajotra matihanina ary ny vitrika ananan’ny Malagasy hohamafisina amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Ny andro voalohany dia efa maro ny nivaingana, na dia aorian’ny diany aza vao hanao jery todika sy tombana ny iraka ny delegasionina.
Zo ny Aina




