Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana ny fianakaviana iray, teny Manandriana Avaradrano, afakomaly alina. Voaroba ny vola 60 000 Ar, solosaina finday. Nanohitra tamin’ny vely vy tao anaty haizina ny tompon-trano, kinanjo izy mianakavy no nifandratra.
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny Manandriana Avaradrano. Lasibatra ny tokantrano iray, ny alin’ny alatsinainy nifoha talata. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano ny jiolahy miisa dimy nitondra fitaovam-piadiana. Nanery ny tompon-trano hamoaka ny entana sarobidy sy vola izy ireo. Nanampoaka basy ny olon-dratsy, tsy nisy sahy nanao na inona na inona intsony ny iray trano. Mialoha ny poa-basy, niezaka ny nanohitra ihany ny tompon-trano. Nisy ny fifandirana teo amin’izy ireo sy ny jiolahy. Raikitra ny fifampidarohana. Namoaka vy ny olona iray tao an-trano tamin’ny voatafika. Niezaka ny nidaroka tao anatin’ny haizina. Maika loza! tsy nisy voa ny jiolahy. Olona miara-mipetraka ao an-trano ihany no voavely. Naratra mafy sy vaky loha izy.
Noraofin’ny jiolahy ny solosaina roa sy finday roa niampy ny vola 60 000 Ar. Nandositra ny mpandroba rehefa nahazo izay nilainy. Tonga teny an-toerana, rehefa nahazo fampilazana ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana. Nahitana diam-bala ny varavarana vy iray tao anatin’ny trano. Basy « Pistolet automatique » na PA 7,65 mm ny fitaovam-piadiana nampiasain’ny jiolahy, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Nentina notsaboina eny anivon’ny CHRD Anosy Avaratra ilay lehilahy voadaroka mafy teo amin’ny lohany. Miroso amin’ny fikarohana ny olon-dratsy ny tomponandraikitra. Hanampy azy ireo ny fahitana ny laharan’ny bala nampiasaina taraiky teny an-toerana.
Tranom-barotra iray voatafika
Ankoatra izay, tranombarotra iray, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Manampatrana, disitrikan’Ikongo, notafihan’ny jiolahy afakomaly tamin’ny 4 ora tolakandro. Dahalo miisa valo nirongo fitaovam-piadiana no niditra an-keriny tao an-tsena. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy vantany vao tafiditra ary nitaky ny vola rehetra tao an-tsena. Naratra mafy teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana tompon’ny tranombarotra. Tafatsoaka tany amin’ny reniranon’i Faraony ny vadiny, nefa nenjehin’ireo daholo sasany ihany. Naratra voakapa teo amin’ny tanany ity farany. Voaroban’ny olon-dratsy tamin’izany, ny vola mitentina 200 tapitrisa Ariary sy ny firavaka volamena. Lasa nitsoaka nihazo ny lalana miakatra mankany amin’ny Carreaux Tsarakianja izy ireo taorian’izay. Tonga teny an-toerana ny ben’ny Tanàna ao an-toerana sy ny polisim-pirenena vantany vao nahazo ny antso, saingy efa tafatsoaka ireo olon-dratsy. Nentina novonjena haingana tany amin’ny tobim-pasalamana ireo naratra. Saingy, tsy tana teny an-dalana ny ain’ilay rangahy noho ny ratra mafy nahazo azy.
Tsiferana R /Mino




