Chorale Orimbato Ambatonakanga: Hamelona ireo hira fahizay ao Andafiavaratra

Hira sy soradihy tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Nanamarika ny vanim-potoana nidiran’ny fivavahana kristianina ihany koa no halahatry ny Orimbato avy ao Ambatonakanga, eny Andafiavaratra.

Hetsika ara-pinoana, ara-kolontsaina ary mivoy ny tantara. Izay no tanjona amin’ny kaonseritra miavaka izay hotontosain’ny Chorale Orimbato Ambatona­kanga, ny zoma 5 jona izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany, eny amin’ny Lapan’­ Anda­fiavaratra. Nosafidiana manokana, araka izany, ny lapa amin’ny maha toerana fanaovan-danonana azy. Ha­merina, hamelona ary hampahafantatra ireo hira fahizay, tany amin’ny taona faha-19 sy ny fanombohan’ny taonjato faha-20 izy ireo. « Hozaraina telo ny seho. Ny voalohany hamelomana ireo hiram-panjakana tamin’izany fotoana. Ny faharoa ireo hira nanana ny lazany fahizany ary ny fahatelo ireo hira fanaon’ny antoko mpihira. Voka-pikarohana ni­ainga avy tamin’ireo tantara voasoratra avokoa ireo haseho ao. Ezahinay haverina araka ny nanaovana azy tany am-piandohana, manaraka izay napetraky ny tantara izany. Toraka izany koa ny soradihy, misy mandravaka ireo hira ary misy kosa karazan-dihy fanao tamina karazan-danonana taloha. Hisy fampirantiana ny tantaran’ny fiangonana koa amin’io, Ary misy amin’ireo no mifandraika amin’izay», hoy ny fanazavana nomen’i Jacques Ramana­mirija, mpahay tantara, mpikaroka momba ny mozika ary tomponandraikitry ny Chorale Orimbato.
Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny Akanin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, nanomezana ny andinindininy. Ampahany tamin’izany ny fampahafantarana ny seho izay hatao ho fanampin’ny fitadiavam-bolan’ny fiangonana, amin’ny fanavaozana ny tafo. « Tamin’ny taona 2003 ny fanamboarana farany. Efa tsapa fa misy fahasimbana indray izany, ka tsy maintsy hirosoana ny fanavaozana ny tafo. Efa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina izahay, amin’ny maha vakoka ny Fiango­nana. 205 tapitrisa Ariary eo ny tomban’ny tetikasa, izay kasaina vitaina anatin’ny 3 volana », hoy Randriarimalala Clarck, filohan’ny komity mpikarakara.
Tsiahivina fa anisan’ireo harembako-pirenena voasoratra ny FJKM Tranovato Amba­tonakanga. Vavolo­mbelon’ny tantaran’i Madagasikara ny niantombohan’ny fivavahana kristianina, ny nanenjehana izany ary ny niverenan’ny fankatoavana ny toerana. Ho feno 160 taona amin’io taona ity vakoka mitahiry harena ara-kolontsaina sy ara-pinoana malaza indrindra eto Antana­narivo ity.

Zo ny Aina

Partager sur: