“Cabaret nostalgique”-Kaiamba tena izy : Ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira

Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy maro be tsy nahafoy efa an-taonany maro ny vazo Kaiamba. Io no antony nanosika ny mpikarakara ny “Cabaret nostalgique” Kaiamba tena izy hisafidy fa « ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira amin’ity indray mitoraka ity ». Seho takariva an-kira tanterahina etsy amin’ny Le Pavé Antani­narenina, ny zoma 22 mey ho avy izao, hanomboka amin’ny 5 ora hariva.
Ho tazana eny an-tsehatra i Prosh’ely, Ozah Jérôme, Jean kely, Zozo Mananjary, Jacky Edmé, Rosemonde, Julien Raminia ary i Appo­name. Ireo vazo kaiamba tsy mety afaka am-bavan’ny maro (Taona 1960… Taona 1990) hiampy indran-kira sy vahiny hiangalian’ny Groupe Prosh’­ ely sy ny Kaiamba tena izy no hahazo laka eny an-toerana. Anisan’ny haneho ny talentany ihany koa ireo tanora manompana ny asa fikarohana ataony ho amin’ny fampiarahana ny Kaiamba amin’ny gadon-kira hafa.
… Na teo aza ireo taona maro nifandimby, ny vazo kaiamba tsy mba lefin’izany. Porofo iray maneho fa manana fototra mafy sy matanjaka izy ity. Tafapaka any amin’ny Malagasy ny hakantony. Fan­tatra fa ny Studio Appo­na­me no mikarakara ity « Cabaret nostalgique » Kaiamba tena izy ity.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: