Mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana ny hamamoana. Mahatratra 40 mahery ireo maty teto Analamanga, tao anatin’ny dimy volana. Hidina ifotony, hanamafy ny fisorohana izany, ny polisy.
Tafakatra 40 mahery ireo olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto amin’ny Faritra Analamanga, nanomboka ny volana janoary 2026 hatramin’ity volana mey ity, raha ny tatitra navoakan’ny polisy nandritra ny atrikasa nataon’izy ireo tetsy Ivato, omaly. Aman’arivony ireo olona naratra sy mitondra takaitra noho izany. « Antony mahatonga ny loza voalohany indrindra ny fitondrana fiara na moto ao anatin’ny hamamoana », hoy ny DRSP Analamanga, ny Commissaire principal de police Rafalimanana Alain Adinos. Maro io taha io raha oharina tamin’ny taon-dasa, satria manodidina ny 70 ny taham-pahafatesan’olona vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao anatin’ny herintaona, tamin’ny taona 2025. Nambarany ihany koa fa ny moto sy fiara tsotra no tena manao lozam-pifamoivoizana betsaka indrindra eto amin’ny Faritra Analamanga. Izay mahatonga ratra sy fahahatesan’olona. Ankoatra izay, maro ihany koa ny trangana tsy fanarahan-dalàna mateti-pitranga eny rehetra eny mahatonga ny loza. Eo ny tsy fanarahana ny lamina apetraky ny mpandrindra ny fifamoivoizana, ny tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana ary ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpampiasa lalana isan-tsokajiny.
Hiverina hiasa ny polisy
Hiverina hiasa ny polisy misahana ny fifamoivoizana taorian’ny enim-bolana nanaovana ny fanentanana ho an’ireo mpampiasa lalana rehetra. Toy izay koa ny fanasaziana ireo tsy manara-dalàna. Ho sintomina ny taratasy fahafahana mamily ho an’ireo mandika izany mba hisorohana ny famoizana aina. Ho hentitra ihany koa ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo polisy tratra mandika lalàna. « Manana herinandro, araka izany, izahay mba hijerena ifotony ireo polisy mandika lalàna sy tsy mahafehy ny asany mahakasika ny fifamoivoizana. Toy izay koa ny eo anivon’ny samy mpitatitra sy ny mpampiasa ny lalana », hoy ny directeur général de la Police nationale (DGPN), Jean Victor Tsaramonina Ravony. « Anisany mandray andraikitra feno amin’ny fampanajana sy fampiharana ny lalàna ny CUA, tsy ekena intsony ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna eto an-dRenivohitra ary hampiharina am-pahamarinana sy am-pitoviana ho an’ny rehetra ny lalàna velona », hoy ny PDS an’Antananarivo, Ralambomanana Fenoherintsoa. Marihina fa nanatanteraka atrikasa handrindrana ny famerenana ny fampiharana ny sazy amin’ireo fandikan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana, tetsy amin’ny ENSP Ivato, ny polisy sy ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly.
Mino




