Havàtsa-Upem – Atrikasa 2026: Omen-danja ny fama­kafakana asa soratra

Tafiditra ao anatin’ny Iray volana anandratana ny teny malagasy. Mandritra ny volana jona, isaky ny sabotsy, hanatanteraka « Atrikasa 2026 fanoratana » ny fikamba­nan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem.

Homen-danja ny famakafakana asa soratra (essai littéraire). «Atrikasa 2026 fanoratana». Hetsika hotontosaina mandritra io volana jona io, isaky ny sabotsy, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny foiben-toeran’ny Havàtsa-Upem Tahala Rarihasina Analakely.
Famakafakana asa soratra hiarahana amin’ireo mpampianatra, mpikaroka, mpanoratra, mpandalina ny teny malagasy. Ny sabotsy 6 jona, Andrianasolo Hajaina Naomy, filohan’ny Havàtsa-Upem, hanazava ny : «fanoratana famakafakana poezia». Sabotsy 13 jona, «fanoratana famakafakana tantaram-pirenena», hiarahana amin-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpahay tantara. Sabotsy 20 jona, R’Abel Hantanoro hanazava ny «fanoratana famakafakana lahatsoratra». «Fano­ratana famakafakana tantara foronina» kosa no hiarahana amin’Iharilanto Patrick An­driamangatiana, ny sabotsy 27 jona.
Vitsy ireo mpanoratra no sahy manoratra famakafakana asa soratra. Antony roa no nambaran’ny rantin’ny Havàtsa-Upem ho mahatonga io tranga io. Noheverina ho mandeha hoazy toy ny fanoratana fanadihadiana tany am-pianarana ny zavatra atao. Na, mahatsapa ny fahasarotan’ny fanoratana izany famakafakana asasoratra izany izay te na mikasa hanao.
Tato anatin’ny 25 taona, isaky ny «Iray volana anandratana ny teny malagasy», mifantoka amin’ireo atrikasa fanoratana karazana haisoratra samihafa toy ny: tononkalo, sombintantara, tantara foronina, tantara tsangana, tantara fihaino, sns, ny Havàtsa-Upem.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: