« Festival Surajkund » any Inde: mahaliana ny vahiny ny dihy sy mozika malagasy entin’ny Maf’B

Tsy mitsanga-menatra hatrany. Firenena ampolony maro no nandefa solontena any amin’ilay hetsika iraisam-pirenena “Festival Surajkund”, izay tontosaina any New-Dehli, Inde amin’
izao fotoana izao.

“Festival Suraj­kund”, fihaonamben’ireo mpanakanto samy manandratra ny kolontsaina mampiavaka ny firenena niaviany. Misolo tena an’i Ma­dagasikara ny Mala­gasy Folkloric Band na ny Maf’B. Ivondronan’ireo mpanakanto mpihira, mpitendry zavamaneno ary mpandihy, izay mitrandraka sy mivoy ny mozika malagasy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.
“Olona marobe samihafa fiaviana no mifanerasera aminay aty, nanomboka tamin’ny 3 febroary. Miha mitombo hatrany ireo liana. Mifampi­resaka izy ireo, ka izay nahita dia mitaona ny hafa. Miovao­va rahateo ny seho hataonay. Dihy sy mozika mampiavaka ny foko rehetra”, hoy ny fitan­taran’i Petit, izay nanontaniana vaovao any an-toerana. Fan­tatra fa hifarana ny alahady 19 febroary izao ity hetsika ity.
Raha tsiahivina, ny taona 2021 no nisy fiantsoana ireo mpanakanto amin’ny hira sy dihy vakodrazana, handrafitra ny Malagasy Folkloric Band. Taorian’ny fifantenana, niatrika fiofanana ary mbola manohy izany ireto mpanakanto ireto. Tanjon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina tamin’izany ny hananana tarika iray mpivoy ny hira sy dihy vakodrazana, afaka misolo tena an’i Madagasikara rehefa misy ny fiantsoana avy any ivelany toa izao. Ny Akade­mia nasionaly ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina (ANAC) no mampiofana sy miandraikitra ny Maf’B.

Zo ny Aina

Partager sur: