« Da fety bé da fety be Tour » : Hiverina an-tsehatra ry 18,3 !

Vanim-potoana fiverenan’ireo mpanakanton’ny taona 2000 ve izao ? Asa aloha, fa fifalian’ny mpankafy ny nahenoana fa ho tazana indray ry zalahy 18,3.

Raha toa ka ry Da Hopp no namaky lay ny rap gasy nohiraina, tsy azo lavina kosa fa ry zalahy 18,3 no nalaza indrindra tamin’ny vanim-potoanany. Vaovao lehibe ho an’ny mpiondana : hiverina ry 18,3 ! Nisy ny fampahafantarana nataon’ny SR Event ny tetikasa, omaly, tetsy Mahamasina. «Raikitra n’y fiaraha-miasa eo aminay SR Event sy ny 18,3. Efa tamin’ny andiany voalohan’ny Généra­tion 2000 izahay no nitady an-dry zalahy. Aty amin’ny andiany faha-5, raikitra ihany izany, hoy ny nambaran’i Sylvano Ratsimandresy, tompon’andraikitra voalohan’ny SR Event. Fantatra tokoa mantsy fa mandritra ny fampisehoana «Generation 2000» manaraka eo no hiakaran’ny 18, 3 an-tsehatra voalohany amin’ity taona ity. Aorian’izay kosa ny «Da fety be da fety bé tour», izay fara fahakeliny seho 10 no hotontosaina eto Antana­na­rivo. Ankoatra izay kosa ny any amin’ny faritra.

Tsy eo i Davy…
18, 3. Fa i Slam Jah sy i Tongue Nat no hanohy ny tantara, miaraka amin’ireo mpitendry sy mpanao feo lafika. «Izaho dia tsy mazoto intsony hiakatra scène. Tohizo ny feeling sy izay tianareo hatao», hoy ny hafatr’i Davy tamin’izy mirahalahy. «Tsisy ady, tsisy disadisa fa safidiny manokana io. Iarahantsika mahalala ra­hateo fa efa nanoritra ny lalany teo amin’ny tontolon’ny ho­ronantsary i Davy. Ny 18, 3 kosa efa ato anatinay rehetra», hoy i Tongue Nat. «Fiain­ga­na vaovao, fa 18,3 ihany. Ny taona miha mitombo, ny hadalana koa miha mitombo. Adala eny foana izahay, fa adalamanam-pahendrena» hoy i Slam Jah, sady nampahatsiahy ny tantaran’ny tarika.
Ny taona 1998 no nanomboka ny 18, 3. « Adala tia mozika » no namaritan-dry zareo ny tenany, nanao « rap adaladala », tonony mampiomehy. Anisan’ireo rakikira nahalafosana maro indrindra ary naharitra aman-taonany, ny « Minday figo ». Io rakikira io ihany no hoentin-dry zalahy miverina amin’izao fa tsy hisy hira vaovao aloha.

Zo ny Aina

Partager sur: