Manatanteraka hetsika fifaninanana dihy maoderina ireo mpianatra eo anivon’ny U-magis, ao anatin’ny Samis Esic, Saint Michel Amparibe. Nambaran-dRandrianarisoa Tyffany Karine, anisan’ireo mpianatra mpikarakara fa «ny alarobia 22 febroary izao, amin’ny 1 ora sasany, ao
amin’ny Amphithéâtre Amparibe, no hanatontosana ny dingan’ny fifanintsanana ho an’ireo karazana dihy hifaninanana : «Billy dance», «Hip Hop», «Krump», «Dancehall», «Danse sportive», «Afro», «Danse de salon»… ».
Nasongadiny fa «ireo tanora no kendrena handray anjara maro sy mavitrika amin’ito fifaninanana dihy maoderina ito. Ny eo anelanelan’ny 15 taona ka hatramin’ny 28 taona». Nomarihiny fa somary efa antomotra ihany ny fotoana hanatontosana ny fifaninanana. Noho izany, efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny St Michel Amparibe na ao amin’ny pejin’ny Esic Event (Facebook). «Satria tanora no entanina manokana, mirary dia mirary ny saran’ny fisoratana anarana», hoy hatrany i Tyffany Karine.
Raha tafakatra ao anatin’ny fifaninanana fisafidianana ireo mpifaninana, miroso avy hatrany amin’ny dingan’ny manasa-dalana sy ny famaranana, ny asabotsy 25 feboary 2023, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Ny fifaninanana rehetra kosa hotontosaina ao amin’ny Amphithéâtre Amparibe avokoa.
Miezaka amin’ny fanomanana rehetra ny mpikarakara, izay mbola mpianatra avokoa. Tiana ny manamarika fa tafiditra ao anatin’ny fianaran’
ireo mpianatra ny fanomanana hetsika toa izao, ao anatin’ny antsoina hoe «Asa famokarana».
Nanangona : HaRy Razafindrakoto