Tsiakoraka, 40 taona an-tsehatra. An’io Ilay seho goavana hanamarihana izany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CC Esca Antanimena. Hamerina ireo hira nahafantarana azy nanomboka tany amin’ny taona 80 tany ny tarika amin’io. Ho vahiny manokana ny tarika Levelo, izay azo lazaina ho indray nihira tamin’izy ireo ihany.
« Lundi de Pentecôte misôma total ». Tarika maherin’ny 10 no hifandimby etsy amin’ny Coliseum, ny alatsinainy izao. Manomboka amin’ny 10 maraina dia efa hiakatra an-tsehatra ny tarika voalohany. Hifandimby mandritra izany ry Big Mj, Basta Lion, César, Johnito, D Lain, Moopcan, Tanjona, ALG, Lowis, Adon, tontosa .
Tontosa omaly hariva, teny amin’ny Lapan’ny praiminisitra eny Andafiavaratra, ny «Takarivan’ny kolontsaina». Hetsika iray nokarakarain’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Ofnac izy ity, izay natao hanomezana sehatra ny zavakanto manakaiky vahoaka. Fanombohana ihany fa mbola hisy tohiny ny hetsika.




