Hatao ny zoma 12 jona ho avy izao ny hetsika momba ny fanaovana dokambarotra na «Nuit de la publicité et de la créativité» (NPC). Hotontosaina etsy amin’ny efitra malalaka Havoria Anosy, izany. Karakarain’ny sampana Serasera-Fanaovan-gazety ao amin’ny Sekoly IEP sy ny mpiara-miombon’antoka maro izy io. Nohazavain’ny Filoha (PDG) ny IEP, Rajaon Davida, fa hifantohana amin’io hetsika io ny famoronan’ny olombelona manoloana ny fihazakazaky ny Faharanitantsaina artifisialy (IA), amin’izao fotoana izao. Ny IA dia tsy hahasolo velively ny tomban-tsaina sy ny fahaizana maminany, ny toe-po, ny fahaizana mitantara, izay maneho ny fanahy sy ny toe-tsaina. Iaraha-mahalala ny fahaizan’ny Malagasy mamorona sy ny mampihetsi-po.
Hampahafantarina amin’io fotoana io koa ny valin’ny fifaninanana mamorona dokambarotra, andiany faharoa, izay efa nisokatra ny volana avrily teo ary hifarana ny 27 mey. Fotoana iray hihaonan’ny mpisehatra, hikarohana mpiara-miombon’antoka, hifampizarana traikefa ihany koa ity NPC ity. Homen-danja manokana ny tanora sy ireo mpamorona niomerika, amin’ny lafiny fanaovana dokambarotra. Nahatratra 80 ny famoronana nandray anjara tamin’ny andiany voalohany, natolotry ny orinasa sy ny antokondraharaha misehatra amin’ny serasera.
Ho avy mandritra io NPC amin’ny 12 jona io, ireo mpisehatra rehetra amin’ny serasera, ny mahakasika ny tsena Marketing, ny fampahalalam-baovao, ny niomerika, ny fakana sary, sns.
Njaka A.




