Miverina tsikelikely ny famatsian-dranon’ny Jirama eto an-dRenivohitra. Nisitraka izany ny eny Nanisana, Ankadindramamy, Manjakaray hatrany Itaosy. Mbola ho avy koa ny an’ny faritra hafa, ka hisy ny famokarana rano 100m3 isan’ora fanampiny, ankoatra ny efa nosokafana ny zoma 16 mey teo, teny Mandroseza. Mitentina 13,97 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hanatanterahana ireo, ao anatin’ny tetikasa PAAEP.
Natao ny 18 mey teo ny atrikasa momba ny fitsipika mifehy ny fiavian’ny entana. Hisy koa ny fitsidihana orinasa sy famakafakana ny fomba famokarana. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao, hanatanterahina ny Fifanakalozana ara-barotra malalaka aty Afrika (Zlecaf), manaraka ny tanjon’ny OMD sy ny Vondrona eoropeana. Nikarakara ny fotoana ny Fadintseranana Malagasy.
Harenina ny lalana RN18 mampitohy an’i Vangaindrano, Midongy Atsimo, Befotaka. Mirefy 136 km ity lalana ity, ka anisan’ny tena ratsy ny Midongy sy Befotaka, indrindra ho an’ny fiarabe. Mandeha ny fikojakojana, ankehitriny, ka hamafisina koa ny tetezana hahazaka enta-mavesatra, toy ny eo Mahamasy (PK 98), eo Andakatokapity (PK 110+900) ary ny Pont Forêt (PK 118+850). Tanjona ny hanatsarana ny fivezivezena any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.




