IFM Analakely: hiavaka ny tolotra taona 2023

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Institut Français de Madagascar na IFM, amin’ny fiantsorohana ny lafiny ko­lontsaina sy fanabeazana. Nampahafantarina ny alarobia 15 febroary 2023 ny karazana tolotra mahakasika izany sa­hanasa sahanin’ity ivontoerana ity izany. Ny lafiny kolontsaina sy ny fanabeazana ny nomena lanja manokana ao anatin’izao. Tolotra manokana amin’ity taona 2023 ity ny ho an’ny olona manana fahasembanana.
Mizara roa mazava tsara ary natao ho an’ny rehetra ny tolotra nomanin’ny IFM. Misy ny mahakasika sy natao ho an’ny vondron’olona tia mama­ky boky ary misy ny fanentanana. Isan’izany ny fanentanana amin’ny famakina boky, ny atrikasa ho an’ny ankizy, fanentanana ny eo amin’ny manodidina ny nomerika ary ny lalao isakan-karazany.
Ankoatra ireo, misy ny tolotra manokana natao ho an’ny olona manana fahasembanana. Hahazo tombony manokana amin’izany ny ma­nana olana amin’ny fahenoana sy fahitana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: