Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy sy sabotsy lasa teo, ny sampan’ny Vovonana Rali, ivondronan’ny tantsaha ao amin’ny Faritra Diana sy Sava. Nitarika izany tany an-toerana ny filoha mpanorina, Ralaimahary Linot sy ny vadiny Rakotoniaina Ando. Nanotrona azy ireo ny ekipa mpanorina isam-paritra, izay ahitana ny mpiantsehatra rehetra amin’ny seha-pihariana fambolena. Maro ny solontenam-panjakana nanatrika ny lanonam-pametrahana azy.
Tsiahivina fa tanjon’ny fikambanana ny famerenan-kasina sy fametrahana ny tantsaha amin’ny toerana tokony hisy azy. Maro, araka izany, ny nanohina ny antso nandritra ny hetsika. Nahatonga solontena avokoa ny distrika mandrafitra ny faritra tsirairay. Nampiseho ny fahavononany amin’ny fanohanana ny Vinan’ny vovonana izy ireo satria anisan’ny ho mpisehatra fototra amin’ny fametrahana ny fampandrosoana lovain-jafy.
Hidina any amin’ny faritra Boeni ny tomponandraikitra, amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao. Mandrakotra an’i Madagasikara ny vovonana, ankehitriny. Tsy miova ny filamatra amin’ny fampiraisana sy fanomezana sehatra vaovao ny tantsaha, indrindra ny fivoizana ny firaisankinan’ny mpiantsehatra rehetra mifandraika amin’izany.
Randria




