Tarika Iray Fy’Art : Hilalao tantara amin’onjampeo any Amparamanina

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra amin’ny tantara an-tsehatra. Hihazo ny any Alaotra, Amparamanina Am­pa­rafaravola, ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art, taorian’ny seho an-tsehatra tany Maha­janga, ny herinandro teo. Hihaona mivantana sy hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy sy ireo vahoaka any an-toerana izy ireo ny alahady 7 jona ho avy izao. Hotante­rahina ao amin’ny Fiangonana katolika St Janvier Ampara­manina izany ary hanomboka amin’ny 2 ora. « Hahita mivantana anay mpilalao tantara amin’ny onjampeo isika amin’­ io fotoana io. Tantara maneho ny fiainana andavanandro no hoentinay eny an-tseha­tra. Mampihomehy sy ahitana hatsikana nefa koa hampitana hafatra sy fanabeazana izany tantara izany », hoy ny lehiben’ny tarika, i Niravo. Anisan’ny ho tazana eny an-tsehatra, Rakoto, Faly, Synèse, miaraka amin’i Soa­faniry sy i Niravo. Hisa­hana ny lafiny teknika sy ny fanentanana ary ny fandrindrana an-tsehatra, i Bruno Rakotomalala. Mikara­kara izao seho izao kosa ny fikambanan’ny Trinite Masina sy ny voababo ao Amparama­nina.
Hitohy eny Antsahamaina, Antanetibe Mahazaza, indray ny seho hataon’ny tarika ny 21 jona. Iarahana amin’ny Anti­lin’i Madagasikara (AIM) ao an-toerana. Aorian’izany ny fiarahana amin’ny vahoakan’ny kaominina Mandrosoa, any Andramasina, ny 26 jona izao. Tafiditra amin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleo­van­tena izany seho an-tsehatra izany.
Tsiahivina fa feno hipoka ny tao amin’ny « Centre pastorale ex-Don Bosco », Maha­janga tamin’ny seho nataon’ny Iray Fy’Art, ny alahadin’ny Pantekoty teo.

Synèse R.

Partager sur: