Haihaingo sy Lamaody : hatao any Toamasina ny “Mihamy Mada Fashion” 4

Hiditra amin’ny andiany fahaefatra amin’ity taona ity ny “Mihamy Mada Fashion”. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, hotontosaina any Toamasina indray ny amin’ity, ny 6, 7 ary 8 avrily ho avy izao. Ity no hetsika goavana indrindra hanasongadinana ny tonto­lon’ny asa famoronana, ana­tin’ny haihaingo sy ny lamaody, izay nokarakarain’ny fanjakana. Toa ny isan-taona, efa mandeha ny fampahafantarana sy ny fanasana ireo mpamoron-damaody sy ireo mpisehatra rehetra amin’izany, amin’ny tokony handraisan’izy ireo anjara amin’ny he­tsika.
Tsy miova ny tanjona sy ny antom-pisian’ny “Mihamy Mada fashion”: sehatra hoan’ ny famoronana, handrisihana ireo mpamoron-damaody sy mpisehatra amin’ny haihaingo, handrisihana ihany koa ny Malagasy hanjifa ny vokatry ny fikarohana Malagasy. He­tsika nasionaly ny “Mihamy Mada Fashion” hatramin’ny nanombohany, satria maro ireo mpamorona avy any amin’ny faritra no nandray anjara naneho ny sanganasany nandritra ireo andiany teo aloha. Antony iray hikisahan’ny he­tsika any Toamasina rahateo, ny fahamaroan’ireo mpamorona sy mpanjifa any an-toerana.

Zo ny Aina

Partager sur: