Karazan-javamaneno maro eny an-tsehatra, manaraka ny soratra mozika big band iraisam-pirenena, hanarahana mozika malagasy. Goavana ny fanamby ho an’i Rija Ramanantoanina sy ireo mpanakanto hiray sehatra aminy.
«Ampoka hakantoana. Voalohany eto Afrika ity seho ity raha ny lafiny fitrotroana ara-mozika, miaraka amin’ny soratra Big Band. Nofy hotanterahina ity». Ampahany tamin’ny nambaran’i Rija Ramanantoanina, nandritra ny fampahafantarana ilay seho hataony etsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady 31 mey ho avy izao io. Iarahany amin’ny Baraka Big Band, ny Quator Squad ny seho, izay nomanina ela. «Raha tany amin’ny 30 taona lasa no natao ity seho ity dia tsy vita. Izao vao feno ny fepetra hanatanterahina azy eo amin’ny lafiny mozika sy ara-teknika. Ilay fanoratana big band, samy manana ny azy ny zavamaneno tsirairay fa mirindra amin’ny fanoratana mozika iraisam-pirenena ireo. Tsy nanana izany isika raha tsy i Tsanta Randriamihajasoa, izay nianatra manokana azy», hoy ny fanazavana nomena.
Mpijery hihaino mozika amin’ny fanahiny no andrasana. Fikasana efa an-taonany maro no nivadika ho fanamby ny an’i Rija Ramanantoanina. Natomboka tamin’ny fiketrehana ny rakikira, izay nampidiran’ireo mpitendry tsirairay ny talentany. Hira 10, na ny 5 vaovao ary ny 5 nalaina tamin’ireo efa natao hatramin’izay. «Tsy nokitihina ny rindran’ny hira fa nasiana sira fotsiny. Izaho indray no nianatra teo ambonin’ireo zavamaneno. Efa vitanay ny famerenana farany, ka hitovy ny heno anaty rakikira sy ny eny an-tsehatra amin’io», hoy i Rija feno hafaliana.
Zo ny Aina




