Seho an-tsehatra niompana tanteraka tamin’ny Reny. Naneho ihany koa ny hakanton’ny vehivavy izay ho Reny any aoriana… Nanasongadina fa mpanabe sy mpitaiza afaka miatrika tranga mafy i Neny.
Ny nifantenana ny hira. Ny fomba fisehoana eny an-tsehatra. Ny fiarahan’ny feo sy ny zavamaneno… Samy nanaja ilay kitapo nifonosana avokoa. Nanome hasina lehibe ny Reny ny fampisehoana « Tiako i Neny » no tanterahina tao amin’ny CCEsca Antanimena, omaly tolakandro. Na tsy hipoka aza ny efitrano. Nisongadina hatrany ny fisian’ny hafanana.
Anisan’ny niteraka izany ny fahaiza-nisafidy ireo hira hokaloina eny an-tsehatra. Nahasahana sy nahatety vanim-potoana lehibe. Ny « Sigara manitra » nokaloin’i Jeanne Naly tany amin’ny taona 1960. Ny sanganasan-dRambao tany amin’ny taona 1974, nohiraina sy notendren’i Hiary Zanakantitra sy Luk. Ny « Vavaka ho anao ry Neny » sanganasan’i Ramy Franck. Ny « Hafa ihany i Mama », hira noforonin’i Bessa izay nohirain’i Lizah Raseta, sns. Ireny hira ireny, naneho ny maha sarobidy ny mbola fananana an’i Neny. Ny hery sy ny fikirizana ao aminy… Samy nanamafy sy nanasongadina indray ny hasina ananan’ny Reny.
… Anisan’ny nampiavaka ity seho an-tsehatra nokarakarain’ny LH Pro ity ihany koa ny nahatsapana avy hatrany fa manana traikefa matanjaka eo amin’ny fiakarana an-tsehatra sy ny famoahana ny aingam-panahiny ireo mpihira sy ireo mpitendry zavamaneno. Maro ireo tsiahy nitambolona tamin’ireo reny tonga teny an-toerana rehefa tazana niakatra ny sehatra ry Narisoa sy Lydie R’Imbosa.
HaRy Razafindrakoto




