Hira sy ny fomba nentina naneho izany. Ireo karazam-pihetsika samihafa. Ny fitafiana… Indrindra fa ireo mpanakanto niaka-tsehatra tetsy Antsahamanitra, omaly. Samy nanasongadina fatratra fa nentina nizarana tsiky, hehy, tokelaka, sns, ilay fampisehoana « Fetin’i Mama ».
Hatsikana mifandraika sy maneho ireo tranga iainan’ny reny ao anivon’ny tokantrano, eny amin’ny fiarahamonina, sns. Samy nanasongadina io avokoa ireo tantara fohy sy hira teny an-tsehatra. Tao ireo somary nivantana fa nisy kosa ireo natao ankolaka mba hitondra hafaliana maharitra ho an’ireo mpijery.
Tsikaritra teny an-toerana rahateo fa maro amin’ireto mpanao hatsikana ireto no efa nahatafapetraka ny kanto ataony any amin’ny mpijery. Nisy ireo fotoana naharitra niainan-dry zareo tao anatina hehy mitohy… Nisongadina ihany koa ny fahafenoin’ ny tolotra nomen’ny teny an-tsehatra.
Tarika Rajao mianakavy, Dadanaivo, Mahyen, Gerald sy Poussy, Teddie… Samy naneho fa manana ny tsiambaratelony ihany koa ry « Mama ». Misy amin’ireny na afenin’izy ireo fatratra aza, fantatry ny ankizy. Hitan’ny « Dada ». Tazan’ny mpiaramonina… Navadika ho hatsikana izany teny Antsahamanitra.
… Tsikaritra ho miverina ny fitiavan’ny Malagasy hatsikana. Ilay vazivazy zary tenany no tena mahasarika azy ireo.
HaRy Razafindrakoto




