Hifantoka atsy Maroc avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Moulay Abdellah – Rabat ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Lions de l’Atlas Maroc sy ny Barean’i Madagasikara, hanomboka amin’ny 8 ora alina. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, nisy fiovana ny firafitry ny ekipam-pirenena malagasy. Nantsoina tamin’ny ora farany i Andy, mpilalaon’ny Disciples FC sy i Mamisoa, avy amin’ny Elgeco Plus. Noho ny tsy fahafahan’i Nicolas Fontaine sy Randriamanampisoa Nicolas ny anton’izany. Omaly ihany koa vao namonjy ny namany, any Maroc, i Hakimi, vodilaharan-dry zareo maraokanina. Izy izay vao avy niatrika ny famaranana ny Ligue des champions d’Europe (LDC), ny sabotsy lasa teo, niaraka tamin’ny Paris St Germain, ekipa hilalaovany.
Tsiahivina fa fanintelony amin’izao no hikatroka ny roa tonta ka nivoaka ho mpandresy ny maraokanina, tamin’ireo lalao roa efa vita. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanomanan-tenan’ny Lions de l’Atlas, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (Mondial 2026), hanomboka amin’ny tapa-bolana ity lalao hikatrohany amin’ny Barea ity. Aorian’ity lalao amin’i Maroc ity, hifandona amin’i Ouganda indray ny Barean’i Madagasikara, ny alahady 7 jona raha tsy misy ny fiovana farany.
Tompondaka




