Ho tafaraka indray ry Tselonina sy Levelo. Tsy avelan’ny mozika hifanalavitra, indrindra koa fa mitady hatrany ny fiarahana ireo mpankafy. Manome fotoana azy ireo indray, etsy amin’ny Piment Café Behoririka ny tarika roa tonta. Hanampy azy ireo mandritra izany koa i Feno sy Mparany, mpitendry efa manaraka an’i Tselonina no mpandimby amin’ny hira vokatry ny tany rahateo.
Feno dia feno ny fandaharam-potoana amin’ ity volana jona ity, ho an’ny tarika Rasoalalao Kavia. Saika isan’andro ny ady hiragasy hatolotr’izy ireo, efa nanomboka andro vitsivitsy izay. Any Soavinandriana ny anio, hitohy mankany Ambositra, Ankazobe, Alalavory, Imerintsiatosika, Miarinarivo, Antsirabe, Ankazomiriotra, Behenjy, Sabotsy Manjakavahoaka, sns.
Hisy ny fifaninanana manoratra taratasy mandresy lahatra, any Ihorombe. Misokatra ho an’ny olon-drehetra izay manana aingam-panahy amin’ny fandresen-dahatra anaty taratasy alefa any amina olona izany, ka manodidina ny lohahevitra Fanavaozana na Fanovana. Teny manodidina ny 450 isa na andalana 45 izany, atao sora-tanana na sora-milina. Afaka mampiasa ny fitenim-paritra na ny teny malagasy ofisialy ireo handray anjara.




