Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny PFL, hihaonan’ny Ajesaia sy ny AS Ste Anne. Mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny Ste Anne, izay resy tamin’ny isa 2 no ho 1, tany amin’ny fihaonana mandroso.
Mbola mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo, eto Madagasikara, amin’ny taranja rugby, ny FTM Manjakaray, na dia resin’ny TFA Anatihazo aza izy ireo, ny alahady teo. Mbola mihazona ny laharana voalohany ny Cosfa ary eo amin’ny laharana faharoa ny CEA Andranomanalina. Somary sahirana kosa ny STM izay eo amin’ny farany.
Nigadona an-tanindrazana, omaly maraina, ny delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra Atsinanana, taranja karate-do. Tsiahivina, medaly volamena 1 sy alimo 2 no norombahan’ny atleta malagasy niatrika ity fifaninanana, izay natao tany Nairobi Kenya ity.




