« Play Lisitra Manaraka » : Sehatra lehibe ho an’ny Hip-Hop Malagasy

Hanasongadina ny talentan’ireo mpisehatra amin’ny rap sy ny Hip-Hop amin’izao fotoana. Izay hatrany ny antom-pisian’ny hetsika « Play Lisitra ». « Play Lisitra Manaraka » no nampisalorana ny andiany faharoa, izay hotontosaina ny 13 jona izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina.

Nitondra ny fanazavana momba ny hetsika ry zareo avy ao amin’ny Kolontsaina Mainty, tompon’ny ketrika sy ny fanatontosaina izany. «Hasongadina ireo tanora, ireo talenta vao amin’ny sehatry ny kolontsaina an-tanàn-dehibe amin’izao fotoana», hoy ny nambaran’i Big Tovolah, tomponandraikitra voalohany amin’ny hetsika.
Tarika 18, avy amina faritra maro maneraka ny Nosy, araka izany, no handray anjara amin’ity andiany faharoa ity. Ahitana RNDR, Jack’Dad (Toamasina), Yrist, Fab’s Brownz, Dijoyh (Toamasina), Ratsilahy & Ryan Anthony, SCKA, My Men Kaid, Eklyps, Geoscar, Khym’s Ogami, Kev’s, Rebl, Nix M & Sam Andrianarijemisa, Balz, Yetoon & Muamar (Toama­sina), Johrichh, Diibs ary Bond Sist (Fianarantsoa). Hitrotro azy ireo eo amin’ny fikosehana kapila ry DJ yatang sy DJ HMan.
Anisan’ireo malaza amin’izao fotoana sy lohalisitra anatin’izany i RNDR. Ambasadao­ron’ny Orange Madagascar rahateo, izay sady mpanohana ny hetsika. Haingana be ny fiakarany tamin’ny laza tato ho ato, noho ny trandraka niavaka tamin’ny maro. Vao nampahafantatra ny «Starboy» i RNDR, izay nilahatra avy hatrany tamin’ireo hirany efa nalaza toy ny «Call me», «Skilli», «Rindrina efatra» sy ireo tao anatin’ny rakikira «Prismatik”.
Nanamafy ny fanohanany ny zavakanto, indrindra ny mahakasika ny tanora ny Orange Madagascar, nandritra ny fampahafantarana ity hetsika «Play Lisitra manaraka» ity.

Zo ny Aina

Partager sur: