Olona roa nahatrarana rongony 24 fatorana tao Sahavinaky, kaominina Andilamena, omaly. Nokasaina hamidy ireo entana ireo. Tsikaritry ny mpitandro filaminana tampoka ka notanana ireo nitondra azy. Nodorana ireo zava-mahadomelina.
Moto iray hitan’ny mpitandro filaminana teny amin’ny kaominina Mandrosoa Ivato, omaly. Napetraky ny olon-tsy fantatra teo amoron-dalana io moto io. Ahina ho nangalarina io moto io ka nariana tampoka noho ny tahotra ho saron’ny mpitandro filaminana.




