Mitohy anio ny varavarana misokatra ho an’ny daholobe karakarain’ny hopitaly CHUJRB na Befelatanana ambony. Manamarika ny faha-100 taona nijoroany ity hopitaly ity ary manome tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra.
100 taona nitsaboana sy nanasitranana, 100 taona nijoroana sy nanangonana traikefa ny hopitaly. “Traikefa 100 taona, fitsaboana azo antoka” no teny filamatra entina manamarika izao dingana lehibe izao.
Misy ny fitiliana aretina maro samihafa toy ny tosidra avo, diabeta, VIH/Sida, hepatita, aretin’ny voa, aretin-koditra, aretin’ny taovam-pisefoana, sy ny maro hafa, fizaham-pahasalamana ankapobeny. Eo koa ny fanentanana sy fanabeazana ara-pahasalamana ary torohevitra avy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Efa an’aliny ny marary nandalo nitsabo tena tao amin’ity hopitaly ity. Sampandraharaha maro no hita ao ary dokotera, Malagasy manam-pahaizana, maro no efa nifandimby tao anatin’ izay 100 taona izay.
Tatiana A




