Hametraka tantara lehibe ho an’ny taranaka any aoriana ny Sehatra bagasy, amin’ity volana jona ity.
Araka ny fandaharam-potoana nampitaina, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahina, ao amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro, Antsahavola, ny “Atrikefa bagasy”. Hiarahana amin’i Salomon (Kintana Telo) izany. Fotoana hamaliana ireo fanontaniana manitikitika ny maro momba ity mpihira anisan’ny manana feo avo ity. Iza moa i Salomon? Ahoana ny fomba fitaizany ilay feo miavaka ananany? Nahatety vanim-potoana ela tokoa ny hira “Ao ihany ve”?, “Ny hira sy ny mozika”, “Hary elatra”, sns. Inona no tsiambaratelon’ izany?…
Ny sabotsy 13 jona indray, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’io toerana io ihany. Hiatrika ny “Zarasehatra” bagasy ny tarika R’Imbosa. Fotoana hizaran’ireo mpikambana ao aminy ny tsiambaratelon’ny kanto ataony. Iray amin’ireny ny fampiasana ny fingadona “5+7” iray amin’ireo mampiavaka ny hira fahiny teto Imerina.
Na ny “Atrikefa” hotaterahina rahapitso, na ny “Zarasehatra” amin’ny herin’ny sabotsy izao. Samy hanome lanja ny “Sehatra malalaka”, ampaham-potoana hifanakalozana amin’ireo rehetra tonga manatrika. Iray amin’ireo tanjona tratrarin’ny “Sehatra bagasy” rahateo ny hisian’ny fampahafantarana sy fivelarana ary ny fiainan’ny Malagasy ny bagasy.
HaRy Razafindrakoto




