Tsy ataon’ny Faribolana Sandratra mandalo fotsiny ny Iray volan’ny teny malagasy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy ry zareo, mandritra ny dimy andro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny 8 ka hatramin’ny 12 jona izao. “Hadimiana Sandratra” rahateo ny anarana nampisalorana ny hetsika hatao amin’ireo fotoana ireo. Mandritra izany, hisy ny fampirantiana sanganasa, varotra boky, antsan-tononkalo, velakevitra isan-karazany manodidina ny literatiora, iarahana amin’ny vahiny nasaina sy ny mpiray Faribolana. Hanafana ny sehatra amin’ny mozika ry Ralanto, izay efa mpiara-miasa, mpiray faribolana hatramin’izay.
Manome hasina sy lanja ny teny malagasy sy ny tontolo manodidina azy hatrany ny Faribolana Sandratra. Anisan’ny fanoitra amin’ny fampivoarana ny firenena ny fanajana sy fanomezana laka ny teniny hoenti-manabe ny taranaka. Tsy tokony hatao ambanin-javatra, araka izany, ny fanandratana ny tenindreny satria tombony lehibe ho an’ny rehetra.
Fitia Randria




