Indray mijery

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny CHU-JRB, ny Sampana “Hépato-Gastroenté­rologie” dia manatanteraka fitiliana maimaimpoana ny aretina Hépatite B sy C ho an’ny daholobe. Mbola anisan’ireo aretina mahafaty olona maro maneran-tany ny Hépatite B sy C, ary mbola ahitana tranga maro eto Madaga­sikara.

Notanterahina ny alakamisy teo ny fanaovan-tsonia ofisialy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa (METFP) sy ny Bianco. Manamarika dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fitantanana tsara rindra, ny fampiroboroboana ny fahitsiana ary ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa izany.

Misy mangalatra sahady ny bateria mpitahiry herinaratra mampandeha ny jiro manazava ny lalana eny amin’ny Lalam-baovao Ambohitrimanjaka mivoaka any Andranotapahina. Efa tsy mandeha sahady ny jiro sasany. Tokony hatao hazalambo ireo mpangalatra sy mpanimba fananan iombonana.

Partager sur: