Fanja Andriamanantena : Hisy zava-baovao ny « Mozika Tsotra izao »

Andiam-pampisehoana, miompana manontolo amin’ny sanganasan’i Fanja Andriamanantena, ny « Mozika tsotra izao ». Hafa indray ny fisehon’ny andiany manaraka eo.

Manohy hatrany ny mo­zika izy… Ny fiakarana an-tsehatra kosa tsy hanao toa ny efa vitany taloha intsony i Fanja Andriama­nantena. «Hanomboka pejy vaovao indray…Raha izaho dia tsy hahavita hiaka-tsehatra intsony, raha tsy hoe kelikely angaha fa tsy ilay mila fanomanana be ireny. Fa kosa miezaka hitondra zava-baovao foana, ka anisan’ny hozaraina amin’io fotoana io», hoy ny nambaran’i Fanja An­driamanantena, omaly, tetsy amin’ny La Balançoire Ivan­dry. Mahakasika ny andiany manaraka amin’ny «Mozika tsotra izao» io fotoana resahiny io, izay hatao ny zoma 12 jona izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ity toerana ity ihany.
Sanganasan’i Fanja An­driamantena ranoiray, fa hataon’ireo mpanakanto mpihira sy mpitendry efa niara-niasa taminy ela na ireo tanora taty aoriana izany. Tsy hihira an-tsehatra intsony anefa izy amin’ity, fa ireo mpanakanto ireo no hamoaka ny fana­hin’ny hira tsirairay araka ny aingam-panahin’izy ireo. Iray amin’ireo zava-baovao nolazain’i Fanja Andriamanantena izay, satria misy amin’ireo no hira taloha, ary maro kosa no noforonina manokana ataon’ny mpihira nosafidiany.
Fankasitrahana an’i Lalie
Nalaina tanatin’ilay hira «Feo roa», nataon’i Lalie sy Nanie ny «mozika tsotra izao». Narindran’i Fanja A. Ho azy roa indrindra io hira io, ka hatao ho fankasitrahana an’i Lalie koa ny fotoana. «An­koatra izay, zava-baovao iray koa ny nangatahiko an’i Silo hanao ny hiran’i Fanja Andria­manantena amin’ny fanaovany azy. Lehibe tao an-trano izy, fantatro hatramin’ny fahakeliny ary niara-niasa tanaty mozika hatramin’ izao», hoy hatrany i Fanja A.
Noresahiny ihany koa ny momba ilay «Collector». Vokatra voafetra, mitahiry ny fiainana ara- mozikan’i Fanja Andriamanan­­tena izy ity, navoakany mba ho lova hipetraka ho tantara koa. Mirakitra sary 300 eo, hira 120, seho an-tsehatra roa na telo, tantaram-piainany, sns, izy io. Natao vitsy mihitsy mba hanan-danja izany.

Zo ny Aina

Partager sur: