Ho fanamafisana ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fampanatonana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka, notanterahina tao amin’ny CHRR Ambositra ny hetsika fitiliana maimaimpoana ny areti-maso katarakta arahin’ny fandidiana, naharitra telo andro, tao amin’ny CHRR Ambositra.
Hetsika mitondra fanantenana sy fahasitranana mivantana ho an’ireo marary indrindra ireo efa niaina fahasahiranana teo amin’ny fahitana nandritra ny fotoana ela izany. Faly ireo marary rehefa niverina mahita mazava indray, izay manova mivantana ny fiainany andavanandro sy ny fianakaviany.
Ankoatra ny fitiliana sy ny fandidiana, nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana sy fanafody ho an’ny sampandraharaha misahana ny maso hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana omena ny vahoaka. Mandroso sy mihatsara hatrany ny fahaiza-manaon’ny CHRR Ambositra satria nanomboka izao, manana mpandidy maso roa vaovao ny hopitaly ka afaka manohy ny fandidiana katarakta isan’andro ho tombontsoan’ ny vahoaka.
Tanteraka noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Lions Sight First Madagascar ny hetsika. Tanjona ny fanasitranana, fanarenana ny fahitana, ary fanomezana fahafahana ny vahoaka hiverina amin’ny fiainana feno.
Vonjy




