Hotontosaina ao amin’ny UCM Ambatoroka ny Forum de la Psychologie izay karakarain’ny Association Arche ny 12 sy 13 jona ho avy izao. Hetsika maro no hatolotra ny mpanotrona izay mifototra amin’ny fahasalaman’ny saina. « De moi à l’autre : comprendre le conflit pour mieux vivre ensemble » ny lohahevitra ifantohana. Mandritra ny roa andro, hisy fifampizarana siantifika momba ny fifandirana (conflit) izay arahana adihevitra hafa. Anisan’ny mandray anjara amin’ny hetsika ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar.
Natomboka ny faran’ny herinandro teo, ny fanapariahana ireo laza adina ho an’ny fanadinana sy fifaninanana nasionaly hidirana taona voalohany eny anivon’ny lisea teknika, ho an’ny taom-piofanana 2026, manerana ireo faritra ahitana ivontoeram-panadinana eto Madagasikara. Tomponandraikitra miisa 24 avy ao amin’ny Direction des Examens sy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena miisa 22 no miantoka sy manatanteraka ny asa. Efa voalamina mialoha ireo zotra sy lalana arahina hahazoana antoka fa tonga ara-potoana sy am-pilaminana any amin’ireo ivontoeram-panadinana rehetra ny laza adina.
Mandray anjara amin’ny “Regional Meeting on Radiation Safety Infrastructure in Africa”, tanterahina any Nairobi, Kenya ny delegasionina malagasy tarihin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny tale jeneralin’ny Ivotoerana Nasionaly momba ny Siansa sy Tekinika Nokleary (INSTN). Tanjona ny hanamafisana ny rafitra sy ny lalàna mifehy ny teknika sy ny angovo nokleary hahafahana mampiasa izany ho fitaovana enti-mampandroso ny firenena sy manatsara ny fiainan’ny mponina.




