“Mba hahazoana vokatra misy kalitao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena”. Tanjona lavitra ezaka izay, kanefa efa mirona mankany ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika eto amintsika. Nisy ny atrikasa roa izay natokana ho an’ny famoronana anatin’ny sarimihetsika, tetsy amin’ny IFM Analakely. Mahakasika ny fanomanana horonantsary lava ny voalohany, niarahana tamin’ireo mpisehatra avy ao amin’ny Ecole Agence Artistique na ny EKAA. Nifototra tamin’ny fandraisana ny toerana anatin’ny tantara izany, mba hampiaina azy hanakaiky ny tena izy.
Fanofanana ireo mpamokatra sy mpanatontosa sarimihetsika kosa ny faharoa, nokarakarain’ny fikambanana Asa sary sy ny Fred Eyriey Lithops Films. Nisy ny fizarana traikefa mahakasika ny fampitana sy ny fanatontosana ny tetikasa sarimihetsika na horonantsary nandritra izany. Efa matihanina amin’ny sehatra ireo nampiofana sy nanoro ny lalana ho an’ireo liana.
Mahakasika izay fanabeazam-boho ny sarimihetsika izay hatrany, eo am-panomanana ny tetikasa « Toustes aux courts » ny EKA sy ny Tetikasa Ony ary ny IFM. Natao ho an’ireo mpanatontosa sarimihetsika vao niditra tamin’ny sehatra izany, ka maniry handalina bebe kokoa ny fianarana manoratra tantara sy tetikasa amina horonantsary fohy. Mpanoratra sy mpanatontosa 6 no hisitraka izany, ka entanina ireo liana hisoratra anarana hatramin’ny 15 jona izao. Ny 20 jona kosa no hivoaka ny lisitr’ireo voafidy.
Zo ny Aina




