TARATRY ny KANTO

Be mpankafy ny tantara an’onjampeo, ka maro toa izany koa ireo te hilomano anatin’ity seha-kanto iray ity. Niisa 19 mianadahy ireo niatrika fiofanana momba izany, tany amin’ny faritra Ihorombe, ny faran’ny herinandro teo. Ny lafiny famokarana sy fanatontosana no tena niompanan’ny fiofanana izay natao tao amin’ny Tosik’Art, ao Ankily, Ihosy. Tanjona ny hamokarana tantara an’onjampeo any an-toerana, mifanaraka amin’ny tena zava-misy sy ny andrasan’ny mpankafy.

Anisan’ireo mpaka sary matihanina, voafidy hampiranty ny sanganasany amin’ny « Heartbeat of Africa », i Rijasolo. Hetsika lehibe hatao any Abidjan, Côte d’Ivoire, izy ity, izay handraisan’ireo mpaka sary avy amina firenena 16 anjara. Manodidina ny baolina kitra ny lohahevitry ny fampirantiana sy ny sary rehetra notsongaina amin’izany. Tafiditra anatin’ny « Mondial 2026 » rahateo, satria tsy hifarana ny fampirantiana raha tsy ny 19 jolay.

Mbola mitana ny nahafantarana azy hatramin’izay ny Album Music! Afapo avokoa ireo nanatrika ny « Du vynil à la guitare », seho izay notontosain’ny tarika, ny alahady teo, teny amin’ny La City Ivandry. Nitambolona indray ireo feonkira vahiny malaza, toa ireo natao famantarana fandaharana tamin’ny onjampeo. Efa angadin’ny Album Music hatramin’izay izany, indrindra ireo feonkira an-gitara sy amin’ny saxophone.

Partager sur: