Fitaovana fitarafana : Nohamafisina ny traikefa amin’ny fikojakojana

Miofana momba ny fitantanana sy fikojakojana ny fitaovana fitarafana, “radiographie”, ny mpikirakira izany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka.
Mifandraika amin’ireo fitaovana “radiographie” miisa 50, novatsiana sy napetraka any amin’ireo hopitaly (CHU-CHRR-CHRD) manerana ny Nosy, ny fiofanana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « PPSB ».
Laharam-pahamehana ny hanamafisana ny traikefan’ireo tomponandraikitra amin’ny fampiasana, fikojakojana ary fanaraha-maso ireo fitaovana, hiantohana ny faharetany sy ny fahombiazan’ny tolotra omeny. Ireo teknisianina sy tomponandraikitra misahana ny fikojakojana izany eny anivon’ny hôpitaly no tena mandray anjara feno amin’ity fiofanana ity.
Dingana iray lehibe hanamafisana ny kalitaon’ny fiti­liana sy ny fikarakarana ara-pahasalamana, ho tombon­tsoan’ny vahoaka malagasy, izao fanofanana izao, hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tatiana A

Partager sur: