Tanterahina any Mahajanga, hatramin’ny zoma, ny atrikasa fananganana fitsipika sy fomba fiasa manaraka ny fenitra eo anivon’ny foibe fiantsoana CRRA. Fantatra fa natsangana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Fitaleavan’ny foibe fanampiana ara-pitsaboana vonjy taitra (DCamum), tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana ny rafitra fikarakarana ara-pahasalamana mialoha ny fidirana hopitaly eto Madagasikara.
Mandray anjara mavitrika amin’ny fitantanana ireo vonjy taitra mialoha ny fidirana hopitaly, ny fandrindrana ny fandraisana sy fitaterana ireo marary, ny DCamum.
Nisy, araka izany, ny fifampizarana traikefa ho amin’ny fampandrosoana bebe kokoa ny rafitra fikarakarana ara-pahasalamana mialoha ny fidirana hopitaly eto Madagasikara.
Taorian’ny vanim-potoana nisian’ny Covid-19, nahafahana nanatanteraka ireo asa voalohany momba ny fandrindrana ara-pitsaboana, izay andraikitry ny fanjakana, ny fahazoana fitaovana sy kojakoja.
Na izany aza, mbola tsy voarafitra ao anatin’ny paikady sy fomba fiasa mazava eo amin’ny lafiny stratejika ireo hetsika sy fandraisana andraikitra natao. Ankehitriny, mbola tsy misy antontan-taratasy fototra mifanaraka amin’ny fitsipika sy fomba fiasa manara-penitra manankery. Ity farany izay afaka miantoka ny fitantanana mahomby ny fifandraisana sy ny fampandrenesana ao amin’ny CRRA.
Tatiana A




