Mahatratra 560 miliara Ar ny lamandy navoakan’ny didim-pitsaran’ny Pac, taona 2025. Nefa, tsy nisy afa-tsy 200 tapitrisa Ar no voaray.
Anton’izany ny tsy fahampian’ny mpitaky vola avy amin’ny fitsarana. Izay no fantatra tamin’ny tatitry ny mpandrindra nasionalin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), Rabarijohn Rivonandrianina, teny amin’ny fitsarana tampony, Anosy, omaly. Maro ny volam-panjakana tokony ho azo sy azo tenenina satria azo alaina. Efa mandeha ny fiaraha-miasa amin’ny sampana mpanao fanagiazana ny fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai) amin’izao. Tsy azo ialana izay fiaraha-miasa izay amin’ny fakana ireny volam-panjakana tokony hiditra ireny. Anisan’ny sakana lehibe amin’ny fanatanterahana izany, sarotra ny dingana sy fomba arahina. Amin’izao fotoana izao, efa misy koa ny fikarakarana ny fifanarahana fiaraha-miasa hanafainganana ny fiaraha-miasa amin’ny firenena any ivelany amin’ny famerenana volam-panjakana.
Mety miteny ny olona hoe lava loatra ny dingana sy fomba arahina amin’ny fitsarana, nefa tsy azo ialana izay amin’ny fehezan-dalàna famaizana ny fitsarana ady heloka. Tsy azo odian-tsy hita na lalovam-potsiny izay, fa tsy maintsy hajaina. Mimenomenona ny olona hoe tsy mahita vokatra, nefa hita hatramin’izay fa misy hatrany ny vola tratra ary olona nanodinkodim-bola azo. Fiteny ny hoe tsy mahazo trondro vaventy, nefa hita fa misy ny trondro vaventy, ny kely ary ny madinika. Ao anatin’ny ady atrehan’ny Pac ireny rehetra ireny, araka any nambarany.
R. Nd.




