Asa re, hanao ahoana ny raharaham-pirenena ato ho ato? Misary mandeha eny ny zava-drehetra. Asa? Noho ilay fanohizan’ny Fanavaozana ny raharaham-panjakana angamba. Mandeha ny fitokanana ny zava-bita. Mitohy ny fametrahana vato fototra. Ny asa madinidinika mandeha tsimoramora. Misosasosa ilay andavanandron-dRamalagasy.
Mifanindran-dalana amin’izay anefa toa mitsingilaila ilay fanavaozana nilokalokana. Misy ny mifandefona ivoho, maro ny mpiatsaravelatsihy. Hafa ny lazain’ny vava, hafa ny atao. Ny tena zava-doza, mivadika ho fanipazana hoditr’akondro mivantana sy ankolaka ilay izy. Samy te hatao ho tompony avokoa no olana.
Efa tsy takona hafenina moa ny fisian’izany. Mandeha ny fantsy madinidinika sy ny kisarisarin-teny manindrona. Ny samy lohany no mifanindrona ao. Ny an’ny sasany aza tonga hatrany amin’ny fandikan-dalàna sy fanosihosena ny hasina maha olona mihitsy. Tsy hoe te hoderaina akory izy ireny fa hita ho manana kajy hafa mihitsy. Mandoto ilay fitondrana Fanavaozana.
Hatreto moa, tsy mbola hita izay apoakan’ny fikaonandoham-pirenena. Ny fanomanana aza ity lazaina tsy hananam-bola. Manao izay saim-patany sy manararaotra ny fahefana kely azo eny izay nitsikin’ny vintana, nahazo seza. Any ifotony rehetra any izao, efa maro no velon-taraina. Manoatra ny tamin’ny loranjy, hono! (?). Ny mahavelombolo aloha, tsy mitsaha-miteny ny Filohan’ny Fanavaozana fa mankany amin’ny fifidianana isika izao.
r.r




