Tontosaina anio tolakandro, eny amin’ny Ivontoeran’ ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola ny hetsika “Zoma mahafinaritra”. Amin’ ity indray mitoraka ity, ny mpiangaly sy mpankafy Slam- Poésie no hanafana ny hetsika sy hahazo vahana ao anatin’izany. Sahala amin’ny mahazatra ny Slamoureux, izany hoe, ny mpiangaly ny Slam. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra, ao anatin’ny fanajana ny fitsipika mifehy ny Slam-Poésie.
Taorian’ny “Men in Blague”, isan’ny hetsika tafaverina eo anivon’ny IKM Antsahavola ihany koa ny “Slam Session”, ao anatin’ny “Zoma mahafinaritra”. Ny mpikambana eo anivon’ny Madagaslam Section Tana na MST no hiandraikitra ny fanatontosana izany. Ny fotoana sahala amin’itony no hampirisihan’ny tompon’andraikitra ireo vao misandratra sy maniry ny ho matihanina eo amin’ny sehatry ny Slam.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny mpitantana ny fikambanana Madagaslam, amin’ny fikarakarana hetsika matetika ho fampiakarana ny lentan’ny Slam eto Madagasikara. Ny fikambanana Madagaslam izay manana vina lehibe amin’ity taona 2023 ity. Efa tsikaritra sy hita ny fitomboan’ ny mpankafy sy mpiangaly Slam-Poésie eto Madagasikara. “Efa hita izany fahombiazana izany fa tsy hijanona hatreo ny mpikarakara sy ny tompon’andraikitra fa hiezaka ny hampitombo ihany koa ny mpanohana sy mpiara-miasa amin’ny fikambanana ho tombontsoan’ny Slam Malagasy”, hoy i Tajero, mpiangaly Slam.
Lin (Mpianatra asa)