Tanterahina eny amin’ny ivontoerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato ny atrikasa ho fakan-kevitra iadiana amin’ny kolikoly. Mikarakara izany ny Komity mitandro ny fahitsiana ( CSI) sy ny OIF.
“Mba hahazoana mahita vokatra tsara amin’izay amin’ny ady amin’ny kolikoly”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Andriamifidy Jean-Louis, teny Ivato, omaly, ny amin’ny atrikasa karakarain’ny CSI tohanan’ny OIF izay nakan-kevitra hanatsarana ny ady amin’ny kolikoly hifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ho amin’ny fanavaozana ankehitriny. Karakaraina sy iarahan’ireo rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly ny atrikasa, hijerena izay tokony hatao eo amin’ny lalàna na ny rafitra.
Efa 20 taona mahery izay i Madagasikara no niady amin’ ny kolikoly, nanomboka tamin’ ny taona 2004 ka hatramin’izao, nefa tsy hita mazava hoe inona ny vokatra azo.
Amin’izao, fantatry ny rehetra sy ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly ny tena zava-misy sy ny olana tsy ahazoana miady amin’ny kolikoly. Amin’izao atrikasa mandritra ny roa andro izao no ijerena izay lalàna tokony hamboarina, ny rafitra marefo ka tokony hohamafisina fa tsy mahaleo tena tanteraka amin’ ny asany… Ao anatin’izao atrikasa izao ireo rafitra rehetra miady aminny kolikoly: ny Bianco, ny Samifin, ny Arai, ny CSI, ny Pac. Miaraka amin’ny fiarahamonina sivily sy ny solontenan’ny minisitera manana rantsana miady amin’ ny kolikoly. Ireo no miara-miady hevitra ary mandroso vahaolana mifanitsy amin’izay: inona, ohatra, no tokony hatao tsy hisian’ny tsimatimanota? Mba hahitam-bokatra amin’izay ny ady amin’ny kolikoly
R. Nd.




