Resabe ary ahina hivadika ho zavatra hafa ny fitakiana ilay hetra mahakasika ny fitaovam-pitaterana mandeha motera na ny Taxe sur les véhicules motorisés na TVM. Nahoraka tampoka tao anatin’ny 48 ora ny fikasana hidina an-dalambe ataon’ny mponina sy ny tanora tao anatin’ny Gen Z. Sady tsy ampy ny fampahalalana no tsy misy fanazavana rahateo mahakasika ilay izy. Notadiavina ho tian-kano tsy tian-kano fotsiny ilay izy.
Raha ny fahavonon’ny olona izany hidina an-dalambe izany dia asa izay nahazo ny fitondrana teo. Manao kely tsy mba mamindro kosa ilay fanjakana. Ny efa madinika ihany no mbola tadiavina hizaka ny tsy eran’ny aina. Iaraha-mahalala anefa fa maro amin’ny orinasa goavambe ireo tsy mahaloa na tsy mandoa ankitsirano ny hetrany. Asa, anefa, raha izay tokoa ilay voalazan’ny Baiboly hoe: ny kely hananao aza mbola hoesorina aminao?
Soa aloha fa nihemotra ny fitondrana mahefa. Tonga tao indray ilay voalazan’ny mpanao politika sasany hoe « Mesia ». Lasa TVM (Taxe sur les véhicules motorisés) nisolo TVM ihany saingy nivadika ho Tena Vaovao Mahafaly. Nilaza ny Filohan’ny Fanavaozana fa tsy misy an’izany fa ho foanana miaraka amin’ny vava. Efa mahay politika mihitsy ilay bokotra dimy. Tafiditra ao anatin’ilay politika politisianina, mampiavaka an-dRamalagasy ny lehilahy.
Anisan’ny nahafahan’ny fitondrana teo aloha nitazona ny sezany nandritra ny 16 taona tokoa ny filalaovana izay toe-pon’ny vahoaka izay. Sady mpamboly olana no mpamaha olana, mitondra fahagagana ny mpitondra. Iza no tsy ho faly rehefa afaka ny fatorana? Henjankenjana rahateo ilay sandan’ny hetra TVM raha raikitra teo!
r.r




