FANTINA sy FINTINA

“Vokatry ny kolikoly avy any ambony ny kolikoly madinika”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirosoa, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny fanombohana ny atrikasa hanatsarana ny ady amin’ny kolikoly, eny Ivato, omaly. Noho izany, manomboka avy any ambony ny fandravana ny kolikoly: ireo trondro vaventy. Vokatr’izay, miteraka ny fitsinjaran’ny harena aty ambany. Rehefa tsy misy manodinkodina ny volam-panjakana, afa-manao lalana, sekoly…

Hodinihina mandritra ny fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana (LFR), taona 2026, ny tolo-kevitra hanafoanana ny “Taxe sur les véhicules à moteur” (TVM), araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly. Hetra napetraky ny fitondrana teo aloha ho an’ny tompona fiara sy moto rehetra izy io. Tokony hifantohana ny fanatsarana ny fanarahan-dalàna fa tsy amin’ny famoronana hetra vaovao.

Partager sur: