Malagasy Guitar Masters: Hizara traikefa sy hanao fampisehoana

I Teta, Chrysanto ary Rija Randrianivosoa. Ireo izy telo mirahalahy mandrafitra ny Malagasy Guitare Masters amin’izao fotoana. Tsy tafaraka matetika noho ny asa aman-draharaha sy ny tany honenana mifanipaka, saingy tsy avelan’ny mozika hisaraka ela. Herinandro vitsivitsy izay no mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianavosoa. Tafa­haona tamin’i Chrysanto izy. Niantso avy hatrany an’i Teta izy ireo amin’ny mety ho fihaonana. Raikitra avy hatrany ary tonga dia haka endrika seho an-kalamanjana eny amin’ny Sky Garden Betongolo izany, ny alahady 14 jona izao.
Anisan’ny nimasoan’ny Malagasy Guitar Masters ha­tramin’ny niforonany ny fifampizarana. Tsy ho fampisehoana fotsiny, araka izany, no hiseho ny alahady izao fa hisy ny “masterclass­” izay hotari­hin’i Rja Randrianivosoa, mpampianatra mozika any ivelany. Hanomboka amin’ny 11 ora ny seho. Misokatra ho an’ny mpitendry gitara rehetra, indrindra ny mpampianatra mitendry gitara.
Haharitra ora iray sy sasany ny tena fampisehoan’ny Malagasy Guitar Masters, manomboka amin’ny 2 ora. Ireo hira voarakitra ao anatin’ilay rakikira “Volohazo” no hozaraina amin’ny mpankafy eto an-tanindrazana, hiampy sasantsany amin’ny vaovao. Raha tsiahivina, tetikasa natombok’i Tao Ravao, niandraikitra ny rindra ara-javakanto, ny Malagasy Guitar Masters. I Chrysante, Teta ary Joel Rabesolo no mpikambana voalohany, ny taona 2018 sy 2019. Taty aoriana vao niditra i Rija R.

Zo ny Aina

Partager sur: