Volan’ny teny malagasy: Tsy ampy ny fandraisana andraikitra

Ny manao ihany no manao. Volan-kankafotra, ny omaly tsy miova. Ambilom­bazana ny vokatra na fiovana azo antenaina aorian’ny fandalovana ny «Iray volan’ny teny malagasy» 2026. Misy ny ezaka ataon’ireo fikambanana maro, mandala sy mikolo ary mikajy ny hasin’ny teny ma­lagasy, saingy tsy ampy. Manao izay ho afany izy ireny saingy tsy vitsy ihany koa ireo tsy mandray andraikitra, kanefa, ny sehatra ivelarana sy iasana hanarenana ny lesoka midadasika be. Iray amin’ireny ny eny amin’ny fiarahamonina, any amin’ny toeram-piasana, eny anivon’ny fikambanana samihafa, sns. Ny ray aman-dreny lohan’ny ankohonana, mihitsy no mila mahafantatra sy miaina ny hasin’ny teny malagasy. Izy ireo no mila resy lahatra fa miainga amin’ny ananan’ny tena ny fototry ny fandrosoana. Fa­haroa, mila arahina ny lamina voajanahary. Mampitombo ny fandraisana andraikitra ny fahalalana sy fiainana ireo.
Be resaka sy mpanao resabe ary kabary ambony vavahady, fotsiny, ny ankamaroan’ireo heverina ho raiamandreny, manoloana ny fitiavana ny maha Malagasy. Anisan’ny iharan’izany ny teny malagasy. Tsy ampy fandraisana andraikitra. Maninona no tsy mivoaka, mihitsy, ohatra, ny lalàna milaza fa «ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra eto Madagasi­kara» ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: