Manantitrantitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ny didim-pitondrana laharana faha-19437/2026. Momba ny fisorohana sy fanasaziana ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna mandritra ireo fanadinana sy fifaninanana ara-panjakana miankina amin’ny Men izy io.
Meloka amin’ny fandikan-dalàna lehibe ny mpiasa rehetra tafiditra amin’ny fikarakarana fanadinana raha toa ka manome lanja manokana, manavakavaka na fitsinjovana manokana ny mpiadina.
Araka izany, ny fanomezana torohevitra na fanampiana na fitondrana manome tombony manokana ny mpiadina iray dia heverina ho fanohintohinana ny fahamarinan’ny fanadinana.
Iharan’ny sazy ara-pitondran-tena sy sazy famaizana, araka ny lalàna manan-kery ireo mpiandraikitra na mpanara-maso fanadinam-panjakana tratra manao izany.
Fandroahana avy hatrany ny efitranom-panadinana, miampy fandrarana tsy hiatrika fanadinam-panjakana mandritra ny herintaona ka hatramin’ny telo taona no sazy mihatra amin’ireo mpiadina mandray na mangataka torohevitra.
Tatiana A




