INDRAY MIJERY

Ny tetikasa Mianatra dia miompana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana toy ny fampisakafoana an-tsekoly sy ny zaridaina an-tsekoly. Eo koa ny fahasalaman’ny mpianatra, ny momba ny rano, fanadiovana, fiodiovana, ny fanentanana ny fiarahamonina amin’ny fananganana FEFFI ara-pomba demokratika…. 35 ireo sekoly ao amin’ny Cisco Toliara I sy Toliara II, Dren Atsimo Andrefana, hisitraka ny tetikasa noho ny fihitarana taorian’ny Dren Androy.

Nihaona ireo mpitandro filaminana mitaingina kodiaran-droa avy amin’ny Brigade mixte CPM, ny Compagnie d’intervention ary ny Compagnie de la circulation. Nampahatsiahy ireo toromarika manan-danja amin’ny fanatanterahana ny asa eny an-kianja izy ireo. Anisan’izany ny fandavana tanteraka ny kolikoly amin’ny endriny rehetra, ny sazy mihatra amin’izay mampiasa tsy ara-dalàna ireo taratasy fanaovana lamandy nadika.

Nizara soso-kevitra ho an’ny ray aman-dreny manan-janaka hanala ny fanadinana CEPE ny CIRGN Antananarivo. Tokony halaina sy haterina ny zaza fa tsy avela irery. Aterina any amin’ny foibe iadinana ny sakafo atoandro fa tsy mamonjy fodiana, ialana amin’ny havizanana sy ny mety ho fahatarana. Tsy hadinoina ny akanjo mafana kanefa tsy mavesatra no ampanaovina ny ankizy.

Partager sur: