Manohy ny asany ny fitondrana Fanavaozana, miezaka manakaiky vahoaka amin’ny fanatanterahana ireo fitakiana teny an-kianja. Tany atsimo, nisy ny fitokanana famatsian-drano vaovao, tohodrano, lalana vita...
“Manakaiky vahoaka ny fitondrana”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitokanana ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Taolagnaro, afakomaly. Izay no anatanterahana izay tena fitakiam-bahoaka teny an-kianja. Marihina ny fitiavana handroso, hiasa ao anatin’ny sehatra madio sy mahafinaratra mba hahazoana miroso mankany amin’ny fanavaozana tena izy. Desambra 2025 ny asa fanorenana, ary vita tamin’ny volana mey teo. Ao anatin’ny tetikasa Mionjo ny asa, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena (BM) vola. Efa manakaiky ny 26 jona, mbola mandrisika ny mpiasam-panjakana hanao fitafiana malagasy. Firenena tsy handroso ny tsy tia ny maha izy azy sy ny kolontsainy.
Tohizana ny fahaleovantena amin’ny sakafo
Teny Isoanala, Betroka, Faritra Anosy, tohodrano fito no notakanana hanohanana tantsaha 4 800 mahery. Nisaorany ny BM miezaka manampy amin’ny asa fampandrosoana. Mahatratra 2 026 hektara no ho voatondraka ny iray amin’ireo tohodrano. Ny ao Isoanala, ohatra, tanimbary 766 Ha ka tantsaha 1 730 no hisitraka tombontsoa. Tao Betroka, nohazavainy ny nanasarahana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tohizina ny fahaleoventena amin’ny sakafo. Tanjona ny fitomboan’ny toerana azo ambolem-bary iadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Fantatra fa tanjon’ny paikadim-pirenena SNDR III ny hampiakarina ho 1 770 000 Ha ny velaran-tany hambolem-bary hatramin’ny taona 2030 ary 8 000 000 T ny voka-bary amin’ny 2027. Nanentanany ny vahoaka hatrany ny hankalaza ny 26 jona amin’ny fo sy ny fitiavan-tanindrazana: manao akanjo malagasy. Ankoatra izany, notokanana ampahan’ny RN 13, 107 KM, Taolagnaro-Ambovombe Androy. Hitadiavana vola hamitana azy manontolo…
R. Nd.




